titreMenu

Drop Down MenusCSS Drop Down MenuPure CSS Dropdown Menu

Fianarana kabary Fialan-tsiny

Manarak'izay,ny akoho hono raha haneno miala mikopakopaka, ny ombalahy raha hiady miala saro-tandroka.Ny gisa raha hisoroka miala sorosoroka,
fa izaho kosa raha  hiteny tsy maintsy miala tsiny, satria ts hoe nohon'ny tsy fahaizako miteny, fa eo koa ny fiambakavakako mandahatra ary ny teny diso mety voambarako ary koa ny voninahitrareo.

Miala tsiny ihany koa raha hiteny satria mbola eo ianareo

RAD fotsivolo amiin'ny tany izay ela nihetezana ka lava volo, ela nipetrahana amoron'ala ka mahalala ny mahitsy ho kapaina, ela nipetrahana amoron'drano ka mahalala ny marivo hiroboana,
hianareo no tompony fitenenana        

eo koa hianareo

ZOKY BE TOA RAY  izay tsy hialohava mandeha tsy hisalovanan-teny, ombalahy be tandroka ka tsy mifidy tanty hiadiana, hianareo no handimby ny anaran-dRay atsy ho atsy 

mbola eo koa

MITOVY SARANGA amin'ny tena izay havanana amin'ny fitenenana, filo sy haratra tsy hivolanan-diso 
      
eo koa hianareo

ZANDRY ZANAKA izay solofodimbin'ny ala, saonjo mihoatra akondro, taniketsan'ny firenena izay hitondra avo ny firenena rahatr'izay   

ary indindra indrindra ianareo(ireo)

ANDRIAMBAVILANITRA tsy hoe atao amparam-pilazana akory ;
fa ianareo no faratambom-boninahitra .ianareo(ireo) no tsipelamanga ravakin'ny tanety, mandeha ravakin'ny lalana, mipetraka ravakin'ny tokantrano, sady loharanon'olombelona.
- Koa raha hiteny manoloana anareo voatanisa teo ny tenako dia tsy maitnsy miala tsiny satria ny miteny tsy miala tsiny hono toy ilay Rangahibe kenda nomen'bodi-akoho ka nomem-boninahitra vao mivadi-boamaso, na toy ilay rafotsibe kendam-bomanga ka kenda ny nasesikin'ny tanany

Ary ratsy izany tsiny izany satria ny olona andrian-tsiny hono tsy manjary avokoa izay ataony, miazakazaka tratran'ny midadana, mitangotango tsy mahafeno harona,izay rehetra atao toa tsy manjary avokoa.

- Koa alako ary ny tsiny, satria ny alana ihany no mahatsara azy, ary ny tsiny hono toy ny fandridahan'asa ka ny akifika ihany no mahatsara azy,
ka akifiko ririnina ho ngolain'ny fanala, akifiko lohataona ho danihan'ny hain'andro, akifoko fahavaratra ho pahon'ny ranobe.
Nefa teny ihany izany ka teny fa ny tsiny hono toy ny aloka anaty rano ka izay ataon'ny tompony ihany no atony. koa raha ho lany andro hamira vava hanala ny tsiny eto aza isika kanefa mbola hifikitra amin'ny ratsy fanao dia toy ilay somorona niharatra ka tsara ihany fa hateloana, na toy ilay boka nievina
ka afa-drofy anio fa rahampitso dia mivindina indray.

- Ka ho tena fanalana ny tsiny ary dia hoy aho hoe mihavana amin'ny olona rehetra, tanterao ilay teny ao amin'ny soratra masina hoe " Tiavo ny namanao tahaka nytenanao". Koa raha izay no vitantsika dia hisaraka ho azy tsy nokapaina toy ny lanitra sy ny tany isika sy ny tsiny.
- Ary dia afaka ny tsiny fanala ny vava ary fongotra ny fondro fanalan'ny molotra ary dia mahitsy ny lalan-kaleha.

Ny aangady  afak'arina mora iasana
Ny tady tsara orina mora vahana
Ny Dia tsara gadona mora afindra
Ny teny afa-tsiny mora arindra.