titreMenu

Drop Down MenusCSS Drop Down MenuPure CSS Dropdown Menu

Fianarana kabary : voha-varavarana

Ny rahona no tafiakatra any an-danitra hono tompoko atosiky ny rivotra.Ny vorona misidina ambony , ingahin'ny elany. Fa izaho kosa no mijoro manoloana anareo eto noho ny anjara manandrify.

Koa dia mangata-dalana aminareo ary mano azafady tompokolahy, manao azafady tompovavy.
Amin'izao ... {lazaina eto ny fivorinana) dia mijoro eto ny tenako mitondra ny fitenenana.

Noho ny teny tahaka ny vato hono ka izay maivana no lasan-davitra, ary toy ny antsy ka izay maranitra no adidy dia toy izay koa ny andraisako fitenenana fa izay malaky hono no havanana.

Na nomena ahy aza anefa  ny fitenenana dia tsy hiambo ho toy ny voarabe endriky ny saha,  na ny aviavy endriky ny vohitra aho fa toy ny dingadingana amoron-dalana ihany eh ka sady fohy no ngitangita ary taho-katsaka afa-baby ka fanimpy any antsisi-tsaha.

Nefa kosa nohon'ny voninahitra nomena ahy dia lolohaviko antampin'ny loha ary voninahitra antsobika ka tsy ho avariko  ampatram-bary

Ary teny nomena ka mahasolanga fa raha tsy nomena kosa mahajoko.