titreMenu

Drop Down MenusCSS Drop Down MenuPure CSS Dropdown Menu

Fianarana kabary voha-varavaraha 2

Tompokolahy sy tompokovavy
Ny rimorimondrivotra hono tompoko manangon-drahona   
Ny vongovongon-drahona mandatsak'orana.
Ny rotsadrotsak'orana manondra-drano
Ny savorovoron-drano mandrava voly, fa
Ny safotofoton-dresaka kosa mahafohifohy fisainana. Fa ny fijoroko eto kosa tsy hisafotofoto toa rivo-mahery ka hanakorotana ny efa milamina , fa hiakatra milammina toa volan'tsinana aho, ho tonga mora toa rano antseranana, avy tsy mitsatrevatreva, tonga tsy mirotoroto, mandalo tsy mitopatopa,ary lasa tsy mamela loto.
Fa mandalo miserana manao mbay lalana tompoko fa izany hono  no fomban'ny manam-panahy.Ka hoy aho hoe azafady manembana tompokolahy ,azafady miserana tompokovavy.

Ny any Imamo tokoa hono fararanon-tapia.Ny any Ankaratra fararanon-jozoro.Ny any Alaotra fararanon-tsahondra.Fa ny eto amintsika kosa fararanoo "..."

Ka izany indrindra no ijoroako manoloana anareo ka itondrako ny fitenenana, nohon'ny ny tolotsai-maharanitra sy ny teny iera-mampirindra, dia nomena ahy arindrako ny teny ka arindrako ary nomena ahy alahatro, ka alahatro.

Na nomena ahy aza anefa izany tsy hiambo ho ny telo no refy vadin'ny volana aho na ny railovy mpanjakan'ny vorona. Fa ny iray amin'ireo sarambaben'ny kintana ihany ary sorohitra kely feo ka mavomavo manjoizoy amin'ny tany ihany.

Nefa nohon'ny voninahitra nomena ahy ,tsy atotako vato na avalako rano fa toaviko atapon'ny loha, voninahitra an-tsobika tsy avariko ampatram-bary.
Ny teny nomena ka mahasolanga ahy mitondra , ary maharavoravo anareo mihaino.