titreMenu

Drop Down MenusCSS Drop Down MenuPure CSS Dropdown Menu

Fianarana kabary Hasina sy arahaba

HASINA SY ARAHABA

Manarak'izany koa ny hasina sy arahaba kosa tsy mba fikobona anaty akanjo na fonosana anjoron-damba, fa tsy maintsy atolotra an'Andriampanakasina tsirairay avy.

Koa lembalemba tokoa tsisy toa an'i Ilempona , tendombohitra mihoatra an'Ankaratra, fa avo kosa anefa tsy misy toa an'Andriamanitra. Azy izao rehera izao ary raha tsy izy isika tsy ho toy izao. Ka ho azy irery ihany anie ny dera sy ny voninahitra, izay efa azy sy mbola ho azy mandrakizay.

Manarak'izany ny haolo aza hono manan-tompon-dia, ny omby misy filohany, ary ny tany fonenana misy mpitondra.
Koa ao ireo mpitondra ny tany sy ny fanjakana izay tsy havahana tahakan'ny ketsa na soritana tahaka ny volo,fa ataoko toy ny molo-bilany ihany ka indray ihodina dia vita. Dia ny filoham-pirenena farany ambony ka hatrety amin'ny sefom-pokotany ety anivontsika ety, hitsara hahita ny marina anie izy ireo ary handanjo ahita ny rariny ary homen'Andriamanitra hevitra mahasoa hatrany mba hiadanan'ny tany sy ny fanjakana.

Eo koa ireo mpitantana ny vahoakan'Andriamanitra izay tsy asiako ankolafiny toy ny akondro, na hasikasiniko toa voasary' fa ataoko toy ny bango takatra. Dia ny RAD fara-tampony ary ireo izay mpandrindra sy mpitantana antsika ety.
Homen'Andriamanitra hery  sy fahasalamana hatrany anie izy ireo mba hahahatanterahany ny iraka  izay nanirahana azy ary tsy hisy ahasaraka azy amin'izany sahan'ny tompo izany.

Eo koa ireo foloalindahim-bahoaka izay tandroka aron'ny vozona apinga aron'ny tratra; manda aron'ny vahoaka madinika. Homen' Adriamanitra hery sy tanjaka hatrany anie izy ireo hahatontosany ny andraikitra nomena  azy handrian'ny tany fahalemana.

Ary ireo vahoaka tsy hasiam-panavahana. Izay valabe niotazana ; kijeja nieraha-nihita ,ahita izay mahasoa azy avy anie izy ireo, ka tsy hisy ho vaky vilany fararano, tsy ho rovi-damba ririnina , tsy ho rovi-tsarotro fahavaratra fa homen'Andriamanitra izay anjara tandrify azy avy anie izy ireny.
           
Ary isika manatrika eto tsy havanim-pitia toa maro akory ianareo fa tolorana ny arahaba voadinidinika ary ny akory voafantimpantina. Arahabaiko toa olo-mahery ianareo ka hivoaka ho maro mpitazana ,hivolana ho maro mpihaino ,hiasa ho maro mpandrisika ary ahavita be amin'izay atao. Tsy hilaozan'y sambatra sy ny manajara anie ianareo ary ho toy ny rano ery ambodivorona, ka ririnina halofan'ny maitso ,fahavaratr ho vangian-kavana , lohataona hangatsiatsiaka ary isika mianakavy izao koa anie toy ilay fodilahy vangian-dRailovy, ka ny vangina velon-tsiotsioka ary ny mpamangy velon-kirahira , samy faly no dikan'izany. Ka hoy aho hoe sarasara tompokolahy ,sarasara tompokovavy.